David's Charge to Solomon
1. Now the days of David drew nigh that he should die; and he charged Solomon his son, saying,
1. David approchait du moment de sa mort, et il donna ses ordres à Salomon, son fils, en disant:
1. Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan' i Davida, dia nandidy an' i Solomona zanany lahy izy hoe:
2. I go the way of all the earth: be thou strong therefore, and shew thyself a man;
2. Je m`en vais par le chemin de toute la terre. Fortifie-toi, et sois un homme!
2. "Izaho dia efa handeha amin' ny lalan-kalehan' ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy."
3. And keep the charge of the LORD thy God, to walk in his ways, to keep his statutes, and his commandments, and his judgments, and his testimonies, as it is written in the law of Moses, that thou mayest prosper in all that thou doest, and whithersoever thou turnest thyself:
3. Observe les commandements de l`Éternel, ton Dieu, en marchant dans ses voies, et en gardant ses lois, ses ordonnances, ses jugements et ses préceptes, selon ce qui est écrit dans la loi de Moïse, afin que tu réussisses dans tout ce que tu feras et partout où tu te tourneras,
3. Ary tandremo ny andraikitra napetrak' i Jehovah Andriamanitrao handehananao amin' ny lalany, hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony araka izay voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy, mba hambinina ianao amin' izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao.
4. That the LORD may continue his word which he spake concerning me, saying, If thy children take heed to their way, to walk before me in truth with all their heart and with all their soul, there shall not fail thee (said he) a man on the throne of Israel.
4. et afin que l`Éternel accomplisse cette parole qu`il a prononcée sur moi: Si tes fils prennent garde à leur voie, en marchant avec fidélité devant moi, de tout leur coeur, et de toute leur âme, tu ne manqueras jamais d`un successeur sur le trône d`Israël.
4. Mba hotohizan' i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin' ny fahamarinana amin' ny fony rehetra sy amin' ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanaka lahy ho eo amin' ny sezafiandrianan' ny Isiraely ianao.
5. Moreover thou knowest also what Joab the son of Zeruiah did to me, and what he did to the two captains of the hosts of Israel, unto Abner the son of Ner, and unto Amasa the son of Jether, whom he slew, and shed the blood of war in peace, and put the blood of war upon his girdle that was about his loins, and in his shoes that were on his feet.
5. "Tu sais ce que m`a fait Joab, fils de Tseruja, ce qu`il a fait à deux chefs de l`armée d`Israël, à Abner, fils de Ner, et à Amassa, fils de Jéther. Il les a tués; il a versé pendant la paix le sang de la guerre, et il a mis le sang de la guerre sur la ceinture qu`il avait aux reins et sur la chaussure qu`il avait aux pieds."
5. Ary ianao koa mahalala izay nataon' i Joaba, zanak' i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin' izy roa lahy komandin' ny miaramilan' ny Isiraely, dia tamin' i Abnera, zanak' i Nera, sy Amasa, zanak' i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin' ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin' ny ady ny fehikibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6. Do therefore according to thy wisdom, and let not his hoar head go down to the grave in peace.
6. Tu agiras selon ta sagesse, et tu ne laisseras pas ses cheveux blancs descendre en paix dans le séjour des morts.
6. Koa manaova araka ny fahendrenao ary aza avela hidina any am-pasana amin' ny fiadanana ny volo fotsiny.
7. But shew kindness unto the sons of Barzillai the Gileadite, and let them be of those that eat at thy table: for so they came to me when I fled because of Absalom thy brother.
7. "Tu traiteras avec bienveillance les fils de Barzillaï, le Galaadite, et ils seront de ceux qui se nourrissent de ta table; car ils ont agi de la même manière à mon égard, en venant au-devant de moi lorsque je fuyais Absalom, ton frère."
7. "Fa ny zanak' i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan' izay mihinana eo amin' ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan' ireo tany amiko, fony nandositra an' i Absaloma rahalahinao aho."
8. And, behold, thou hast with thee Shimei the son of Gera, a Benjamite of Bahurim, which cursed me with a grievous curse in the day when I went to Mahanaim: but he came down to meet me at Jordan, and I sware to him by the LORD, saying, I will not put thee to death with the sword.
8. Voici, tu as près de toi Schimeï, fils de Guéra, Benjamite, de Bachurim. Il a prononcé contre moi des malédictions violentes le jour où j`allais à Mahanaïm. Mais il descendit à ma rencontre vers le Jourdain, et je lui jurai par l`Éternel, en disant: Je ne te ferai point mourir par l`épée.
8. "Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak' i Gera, Benjamita avy any Bahorima; loza loatra ny nanozonany ahy tamin' ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no nianianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin' ny sabatra ianao."
9. Now therefore hold him not guiltless: for thou art a wise man, and knowest what thou oughtest to do unto him; but his hoar head bring thou down to the grave with blood.
9. "Maintenant, tu ne le laisseras pas impuni; car tu es un homme sage, et tu sais comment tu dois le traiter. Tu feras descendre ensanglantés ses cheveux blancs dans le séjour des morts."
9. "Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin' ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volofotsiny ho any am-pasana."
10. So David slept with his fathers, and was buried in the city of David.
10. David se coucha avec ses pères, et il fut enterré dans la ville de David.
10. Ary Davida dia lasa nodimandry any amin' ny razany ka nalevina ao an-Tanànan' i Davida.
11. And the days that David reigned over Israel were forty years: seven years reigned he in Hebron, and thirty and three years reigned he in Jerusalem.
11. Le temps que David régna sur Israël fut de quarante ans: à Hébron il régna sept ans, et à Jérusalem il régna trente-trois ans.
11. "Ary ny andro nanjakan' i Davida tamin' ny Isiraely dia efapolo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telopolo taona."
12. Then sat Solomon upon the throne of David his father; and his kingdom was established greatly.
12. Salomon s`assit sur le trône de David, son père, et son règne fut très affermi.
12. "Ary Solomona nipetraka teo amin' ny sezafiandrianan' i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara."
Solomon's Throne Estabilished
13. And Adonijah the son of Haggith came to Bathsheba the mother of Solomon. And she said, Comest thou peaceably? And he said, Peaceably.
13. Adonija, fils de Haggith, alla vers Bath Schéba, mère de Salomon. Elle lui dit: Viens-tu dans des intentions paisibles? Il répondit: Oui.
13. Ary Adonia, zanakalahin' i Hagita, nankany amin' i Batseba, renin' i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14. He said moreover, I have somewhat to say unto thee. And she said, Say on.
14. Et il ajouta: J`ai un mot à te dire. Elle dit: Parle!
14. Ary hoy izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao àry.
15. And he said, Thou knowest that the kingdom was mine, and that all Israel set their faces on me, that I should reign: howbeit the kingdom is turned about, and is become my brother's: for it was his from the LORD.
15. Et il dit: Tu sais que la royauté m`appartenait, et que tout Israël portait ses regards sur moi pour me faire régner. Mais la royauté a tourné, et elle est échue à mon frère, parce que l`Éternel la lui a donnée.
15. Dia hoy izy: Ianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan' ny rahalahiko, fa azony avy tamin' i Jehovah izany.
16. And now I ask one petition of thee, deny me not. And she said unto him, Say on.
16. Maintenant, je te demande une chose: ne me la refuse pas! Elle lui répondit: Parle!
16. "Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao àry."
17. And he said, Speak, I pray thee, unto Solomon the king, (for he will not say thee nay,) that he give me Abishag the Shunammite to wife.
17. Et il dit: Dis, je te prie, au roi Salomon-car il ne te le refusera pas-qu`il me donne pour femme Abischag, la Sunamite.
17. Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin' i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18. And Bathsheba said, Well; I will speak for thee unto the king.
18. Bath Schéba dit: Bien! je parlerai pour toi au roi.
18. Ary hoy Batseba: Eny àry, fa izaho dia hilaza ny teninao amin' ny mpanjaka.
19. Bathsheba therefore went unto king Solomon, to speak unto him for Adonijah. And the king rose up to meet her, and bowed himself unto her, and sat down on his throne, and caused a seat to be set for the king's mother; and she sat on his right hand.
19. Bath Schéba se rendit auprès du roi Salomon, pour lui parler en faveur d`Adonija. Le roi se leva pour aller à sa rencontre, il se prosterna devant elle, et il s`assit sur son trône. On plaça un siège pour la mère du roi, et elle s`assit à sa droite.
19. "Ary Batseba nankany amin' i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin' i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an' i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin' ny sezafiandrianany, ary nasainy nisy nitondra sezafiandrianana koa ho an' ny renin' ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin' ny ankavanany izy."
20. Then she said, I desire one small petition of thee; I pray thee, say me not nay. And the king said unto her, Ask on, my mother: for I will not say thee nay.
20. Puis elle dit: J`ai une petite demande à te faire: ne me la refuse pas! Et le roi lui dit: Demande, ma mère, car je ne te refuserai pas.
20. Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka masìna ianao, aza lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho àry, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21. And she said, Let Abishag the Shunammite be given to Adonijah thy brother to wife.
21. Elle dit: Qu`Abischag, la Sunamite, soit donnée pour femme à Adonija, ton frère.
21. Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin' i Adonia rahalahinao.
22. And king Solomon answered and said unto his mother, And why dost thou ask Abishag the Shunammite for Adonijah? ask for him the kingdom also; for he is mine elder brother; even for him, and for Abiathar the priest, and for Joab the son of Zeruiah.
22. Le roi Salomon répondit à sa mère: Pourquoi demandes-tu Abischag, la Sunamite, pour Adonija? Demande donc la royauté pour lui, -car il est mon frère aîné, -pour lui, pour le sacrificateur Abiathar, et pour Joab, fils de Tseruja!
22. "Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an' i Abisaga Sonemita ho an' i Adonia; angataho ho azy koa àry ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an' i Joaba, zanak' i Zeroia."
23. Then king Solomon sware by the LORD, saying, God do so to me, and more also, if Adonijah have not spoken this word against his own life.
23. Alors le roi Salomon jura par l`Éternel, en disant: Que Dieu me traite dans toute sa rigueur, si ce n`est pas au prix de sa vie qu`Adonija a prononcé cette parole!
23. Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin' i Jehovah hoe: Hataon' Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24. Now therefore, as the LORD liveth, which hath established me, and set me on the throne of David my father, and who hath made me an house, as he promised, Adonijah shall be put to death this day.
24. Maintenant, l`Éternel est vivant, lui qui m`a affermi et m`a fait asseoir sur le trône de David, mon père, et qui m`a fait une maison selon sa promesse! aujourd`hui Adonija mourra.
24. Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra ahy sy nametraka ahy teo amin' ny sezafiandrianan' i Davida raiko, sady nanao trano ho ahy araka izay nampanantenainy, dia hatao maty anio i Adonia.
25. And king Solomon sent by the hand of Benaiah the son of Jehoiada; and he fell upon him that he died.
25. "Et le roi Salomon envoya Benaja, fils de Jehojada, qui le frappa; et Adonija mourut."
25. "Ary Solomona mpanjaka naniraka an' i Benaia, zanak' i Joiada; ary izy namely azy ka nahafaty azy."
26. And unto Abiathar the priest said the king, Get thee to Anathoth, unto thine own fields; for thou art worthy of death: but I will not at this time put thee to death, because thou barest the ark of the LORD God before David my father, and because thou hast been afflicted in all wherein my father was afflicted.
26. "Le roi dit ensuite au sacrificateur Abiathar: Va-t`en à Anathoth dans tes terres, car tu mérites la mort; mais je ne te ferai pas mourir aujourd`hui, parce que tu as porté l`arche du Seigneur l`Éternel devant David, mon père, et parce que tu as eu part à toutes les souffrances de mon père."
26. Ary Abiatara mpisorona dia nilazan' ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any amin' ny sahanao, fa olona tokony hatao maty ianao, nefa tsy hataoko maty ianao amin' izao fotoana izao, satria nitondra ny fiaran' i Jehovah Andriamanitra teo alohan' i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin' ny raiko tamin' izay rehetra nampahoriana azy.
27. So Solomon thrust out Abiathar from being priest unto the LORD; that he might fulfil the word of the LORD, which he spake concerning the house of Eli in Shiloh.
27. Ainsi Salomon dépouilla Abiathar de ses fonctions de sacrificateur de l`Éternel, afin d`accomplir la parole que l`Éternel avait prononcée sur la maison d`Éli à Silo.
27. Ary Solomona dia nanongana an' i Abiatara tsy ho mpisoron' i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin' i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin' ny taranak' i Ely, izy.
28. Then tidings came to Joab: for Joab had turned after Adonijah, though he turned not after Absalom. And Joab fled unto the tabernacle of the LORD, and caught hold on the horns of the altar.
28. Le bruit en parvint à Joab, qui avait suivi le parti d`Adonija, quoiqu`il n`eût pas suivi le parti d`Absalom. Et Joab se réfugia vers la tente de l`Éternel, et saisit les cornes de l`autel.
28. Ary tonga tany amin' i Joaba ny vaovao, (fa Joaba efa niodina nanaraka an' i Adonia kanefa tsy niodina nanaraka an' i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin' ny tabernakelin' i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29. And it was told king Solomon that Joab was fled unto the tabernacle of the LORD; and, behold, he is by the altar. Then Solomon sent Benaiah the son of Jehoiada, saying, Go, fall upon him.
29. On annonça au roi Salomon que Joab s`était réfugié vers la tente de l`Éternel, et qu`il était auprès de l`autel. Et Salomon envoya Benaja, fils de Jehojada, en lui disant: Va, frappe-le.
29. Ary nambara tamin' i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin' ny tabernakelin' i Jehovah, ka indro, eo anilan' ny alitara izy. Dia nirahin' i Solomona i Benaia, zanak' i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha asio izy.
30. And Benaiah came to the tabernacle of the LORD, and said unto him, Thus saith the king, Come forth. And he said, Nay; but I will die here. And Benaiah brought the king word again, saying, Thus said Joab, and thus he answered me.
30. Benaja arriva à la tente de l`Éternel, et dit à Joab: Sors! c`est le roi qui l`ordonne. Mais il répondit: Non! je veux mourir ici. Benaja rapporta la chose au roi, en disant: C`est ainsi qu`a parlé Joab, et c`est ainsi qu`il m`a répondu.
30. Ary Benaia tonga tao amin' ny tabernakelin' i Jehovah ka nanao tamin' i Joaba hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka : Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin' ny mpanjaka indray hoe: Izany no nolazain' i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31. And the king said unto him, Do as he hath said, and fall upon him, and bury him; that thou mayest take away the innocent blood, which Joab shed, from me, and from the house of my father.
31. "Le roi dit à Benaja: Fais comme il a dit, frappe-le, et enterre-le; tu ôteras ainsi de dessus moi et de dessus la maison de mon père le sang que Joab a répandu sans cause."
31. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin' ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak' i Joaba.
32. And the LORD shall return his blood upon his own head, who fell upon two men more righteous and better than he, and slew them with the sword, my father David not knowing thereof, to wit, Abner the son of Ner, captain of the host of Israel, and Amasa the son of Jether, captain of the host of Judah.
32. L`Éternel fera retomber son sang sur sa tête, parce qu`il a frappé deux hommes plus justes et meilleurs que lui et les a tués par l`épée, sans que mon père David le sût: Abner, fils de Ner, chef de l`armée d`Israël, et Amasa, fils de Jéther, chef de l`armée de Juda.
32. Dia hatsingerin' i Jehovah ho amin' ny lohany ihany ny rany, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara kokoa noho izy, ka namono azy tamin' ny sabatra, dia Abnera, zanak' i Nera, komandin' ny miaramilan' ny Isiraely, sy Amasa, zanak' i Jatera, komandin' ny miaramilan' ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory.
33. Their blood shall therefore return upon the head of Joab, and upon the head of his seed for ever: but upon David, and upon his seed, and upon his house, and upon his throne, shall there be peace for ever from the LORD.
33. "Leur sang retombera sur la tête de Joab et sur la tête de ses descendants à perpétuité; mais il y aura paix à toujours, de par l`Éternel, pour David, pour sa postérité, pour sa maison et pour son trône."
33. "Eny, ny ràn' izy ireo hitsingerina amin' ny lohan' i Joaba sy ny lohan' ny taranany mandrakizay; fa amin' i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary ny sezafiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin' i Jehovah."
34. So Benaiah the son of Jehoiada went up, and fell upon him, and slew him: and he was buried in his own house in the wilderness.
34. Benaja, fils de Jehojada, monta, frappa Joab, et le fit mourir. Il fut enterré dans sa maison, au désert.
34. "Dia niakatra Benaia, zanak' i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin' ny fonenany tany an' efitra izy."
35. And the king put Benaiah the son of Jehoiada in his room over the host: and Zadok the priest did the king put in the room of Abiathar.
35. Le roi mit à la tête de l`armée Benaja, fils de Jehojada, en remplacement de Joab, et il mit le sacrificateur Tsadok à la place d`Abiathar.
35. "Ary Benaia, zanak' i Joiada, no notendren' ny mpanjaka ho solony ho komandin' ny miaramila; ary Zadoka mpisorona no notendren' ny mpanjaka ho solon' i Abiatara."
36. And the king sent and called for Shimei, and said unto him, Build thee an house in Jerusalem, and dwell there, and go not forth thence any whither.
36. "Le roi fit appeler Schimeï, et lui dit: Bâtis-toi une maison à Jérusalem; tu y demeureras, et tu n`en sortiras point pour aller de côté ou d`autre."
36. Ary ny mpanjaka naniraka naka an' i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao, ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37. For it shall be, that on the day thou goest out, and passest over the brook Kidron, thou shalt know for certain that thou shalt surely die: thy blood shall be upon thine own head.
37. "Sache bien que tu mourras le jour où tu sortiras et passeras le torrent de Cédron; ton sang sera sur ta tête."
37. Fa izao no hisy, amin' izay andro hivoahanao ka hitanao ny renirano kelin' i Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao, ny ranao ho amin' ny lohanao ihany.
38. And Shimei said unto the king, The saying is good: as my lord the king hath said, so will thy servant do. And Shimei dwelt in Jerusalem many days.
38. Schimeï répondit au roi: C`est bien! ton serviteur fera ce que dit mon seigneur le roi. Et Schimeï demeura longtemps à Jérusalem.
38. "Ary hoy Simey tamin' ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain' ny mpanjaka tompoko izany no hataon' ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra andro maro tany Jerosalema."
39. And it came to pass at the end of three years, that two of the servants of Shimei ran away unto Achish son of Maachah king of Gath. And they told Shimei, saying, Behold, thy servants be in Gath.
39. Au bout de trois ans, il arriva que deux serviteurs de Schimeï s`enfuirent chez Akisch, fils de Maaca, roi de Gath. On le rapporta à Schimeï, en disant: Voici, tes serviteurs sont à Gath.
39. Ary izao no niseho, nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy tamin' ny mpanompon' i Simey, nandositra ho any amin' i Akisy, zanak' i Maka, mpanjakan' i Gata. Ary nisy nanambara tamin' i Simey hoe: Indro any Gata ny mpanomponao.
40. And Shimei arose, and saddled his ass, and went to Gath to Achish to seek his servants: and Shimei went, and brought his servants from Gath.
40. Schimeï se leva, sella son âne, et s`en alla à Gath chez Akisch pour chercher ses serviteurs. Schimeï donc s`en alla, et il ramena de Gath ses serviteurs.
40. Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin' i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41. And it was told Solomon that Shimei had gone from Jerusalem to Gath, and was come again.
41. On informa Salomon que Schimeï était allé de Jérusalem à Gath, et qu`il était de retour.
41. Ary nambara tamin' i Solomona fa niala tany Jerosalema Simey hankany Gata, dia niverina indray.
42. And the king sent and called for Shimei, and said unto him, Did I not make thee to swear by the LORD, and protested unto thee, saying, Know for a certain, on the day thou goest out, and walkest abroad any whither, that thou shalt surely die? and thou saidst unto me, The word that I have heard is good.
42. Le roi fit appeler Schimeï, et lui dit: Ne t`avais-je pas fait jurer par l`Éternel, et ne t`avais-je pas fait cette déclaration formelle: Sache bien que tu mourras le jour où tu sortiras pour aller de côté ou d`autre? Et ne m`as-tu pas répondu: C`est bien! j`ai entendu?
42. Ary ny mpanjaka naniraka naka an' i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin' i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin' izay andro hivoahanao sy handehananao any ivelany na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara ny teny izay reko.
43. Why then hast thou not kept the oath of the LORD, and the commandment that I have charged thee with?
43. Pourquoi donc n`as-tu pas observé le serment de l`Éternel et l`ordre que je t`avais donné?
43. Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin' i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44. The king said moreover to Shimei, Thou knowest all the wickedness which thine heart is privy to, that thou didst to David my father: therefore the LORD shall return thy wickedness upon thine own head;
44. "Et le roi dit à Schimeï: Tu sais au dedans de ton coeur tout le mal que tu as fait à David, mon père; l`Éternel fait retomber ta méchanceté sur ta tête."
44. "Ary hoy koa ny mpanjaka tamin' i Simey: Ianao mahalala ny faharatsiana rehetra izay fantatry ny fonao, fa nataonao tamin' i Davida raiko; ka dia hatsingerin' i Jehovah amin' ny lohanao ny faharatsianao."
45. And king Solomon shall be blessed, and the throne of David shall be established before the LORD for ever.
45. Mais le roi Salomon sera béni, et le trône de David sera pour toujours affermi devant l`Éternel.
45. Fa hotahiana kosa Solomona mpanjaka, ary ny sezafiandrianan' i Davida hampitoerina eo anatrehan' i Jehovah mandrakizay.
46. So the king commanded Benaiah the son of Jehoiada; which went out, and fell upon him, that he died. And the kingdom was established in the hand of Solomon.
46. "Et le roi donna ses ordres à Benaja, fils de Jehojada, qui sortit et frappa Schimeï; et Schimeï mourut. La royauté fut ainsi affermie entre les mains de Salomon."
46. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Benaia, zanak' i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an' i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia voaorina teo an-tanan' i Solomona.